Mark 8:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lasa nankany Betsaida izy ireo; ary nisy nitondra lehilahy jamba iray teo amin’i Jesosy ka niangaviany Izy mba hikasika ilay jamba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga tao Betsaidà i Jesoa sy ny mpianany. Dia indreo nisy olona nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesoa, ka niangavy Azy hikasika ilay jamba.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lasa nankany Betsaida izy ireo; ary nisy nitondra lehilahy jamba iray teo amin’i Jesosy ka niangaviany Izy mba hikasika ilay jamba.
malagasy
Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.