Mark 8:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ireo tanàna kely miankina amin’i Kaisarian’i Filipo. Nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa Aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy ao i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa Aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ireo tanàna kely manodidina an’i Kesaria-Filipo; ary teny an-dalana, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: –Iza moa Aho, araka ny filazan’ny olona Ahy?
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ireo tanàna kely miankina amin’i Kaisarian’i Filipo. Nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa Aho?
malagasy
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?