Mark 8:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianatra i Jesoa hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona.
Malagasy Bible 1865
Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona* ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna* ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.
malagasy
Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.