Mark 9:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy tamin’izy ireo: I Elia dia tonga mialoha ihany ka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Fa ahoana kosa ary no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona, fa tsy maintsy hijaly mafy Izy sady hatao tsinontsinona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia; fa ahoana kosa no ilazan’ny Soratra Masina momba ny Zanak’olona fa hoe tsy maintsy hijaly mafy Izy ary hatao tsinontsinona?
Malagasy Bible 1865
Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy tamin’izy ireo: I Elia dia tonga mialoha ihany ka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Fa ahoana kosa ary no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona*, fa tsy maintsy hijaly mafy Izy sady hatao tsinontsinona?
malagasy
Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?