Mark 9:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niala teo izy ireo ka nizotra namakivaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny, fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niala teo i Jesoa sy ny mpianany ka namakivaky ny faritany Galilea, ary tsy tian’i Jesoa hisy hahalala izany;
Malagasy Bible 1865
Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niala teo izy ireo ka nizotra namakivaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
malagasy
Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.