Mark 9:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa maty Izy dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nilaza taminy hoe: –Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona ka hovonoiny ho faty, ary andro fahatelo aorian’ny hahafatesany dia hitsangana velona.
Malagasy Bible 1865
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Ny Zanak’Olona* dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa maty Izy dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
malagasy
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.