Mark 9:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin’ny izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: –Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
malagasy
Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?