Mark 9:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe: –Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin’ny olona rehetra ary ho mpanompon’ny olona rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra.
malagasy
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.