Mark 9:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha ny tananao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny afobe, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha ny tananao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny afobe*, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina;
malagasy
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [ Gr. Gehena]