Mark 9:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha ny tongotrao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afobe, any amin’ny afo tsy azo vonoina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tongotrao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tongotra roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. [
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha ny tongotrao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afobe, any amin’ny afo tsy azo vonoina;
malagasy
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo.