Mark 9:49 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa samy hosedraina amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra dia samy hosedraina amin’ny fanasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsara ny fanasina: fa rehefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa samy hosedraina amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra dia samy hosedraina amin’ny fanasina.
malagasy
Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra.[Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina]Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.