Mark 9:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony izy efa-mianaka nidina avy any an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza mitantara na amin’iza na amin’iza ny zavatra vao hitanareo, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona* amin’ny maty.
malagasy
Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.