Matthew 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy*. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa.
malagasy
Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.