Matthew 10:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha enjehina ao amin’ny tanàna iray ianareo dia mandosira ho any amin’ny tanàna hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Israely akory ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.
Malagasy Bible 1865
Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha enjehina ao amin’ny tanàna iray ianareo dia mandosira ho any amin’ny tanàna hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Israely akory ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona*.
malagasy
Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.