Matthew 10:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ampy amin’ny mpianatra raha tonga tahaka ny mpampianatra azy izy, ary ny mpanompo raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nolazainy hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ampy ho an’ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.
Malagasy Bible 1865
Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ampy amin’ny mpianatra raha tonga tahaka ny mpampianatra azy izy, ary ny mpanompo raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nolazainy hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
malagasy
Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?