Matthew 10:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ampaharoapolon’ny denàry monja ve no vidin’ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin’ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo.
Malagasy Bible 1865
Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy asariona* iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.
malagasy
Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria]