Matthew 10:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady.
Malagasy Bible 1865
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra.
malagasy
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.