Matthew 10:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.
Malagasy Bible 1865
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
malagasy