Matthew 11:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga kosa ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, ka hoy ny olona: Indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!» Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon’ny asany ho marina.
Malagasy Bible 1865
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga kosa ny Zanak’Olona*, mihinana sy misotro, ka hoy ny olona: Indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.
malagasy
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.[Na: (ny zanany)]