Matthew 11:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo dia ho efa nibebaka ela tamin’ny akanjo fisaonana sy ny lavenona ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.
Malagasy Bible 1865
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo dia ho efa nibebaka ela tamin’ny akanjo fisaonana sy ny lavenona ireny.
malagasy
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.