Matthew 11:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao dia ho naharitra ambaraka androany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianao, ry Kafarnahòma, heverinao ve fa hasandratra hatrany an-danitra ianao? Tsia, haetry hatrany amin’ny toeran’ny maty ianao! Raha i Sôdôma manko no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminao, dia ho naharitra mandraka androany izany tanàna izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao dia ho naharitra ambaraka androany izy.
malagasy
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.