Matthew 11:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony lasa ireny, vao nilaza ny amin’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy ka niteny hoe: Hizaha inona no nandehananareo nankany an-tany efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony lasa ireo, dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an’i Jôhany tamin’ny vahoaka i Jesoa nanao hoe: –Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Volotara hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia!
Malagasy Bible 1865
Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony lasa ireny, vao nilaza ny amin’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy ka niteny hoe: Hizaha inona no nandehananareo nankany an-tany efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va?
malagasy
Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?