Matthew 12:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ny tanany ka sitrana tahaka an’ilay ilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’izay dia hoy Izy tamin-dralehilahy: «Ahinjiro ny tananao.» Dia nahinjiny, ka sitrana tahaka ny ilany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana, nanjary salama tahaka ny ilany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ny tanany ka sitrana tahaka an’ilay ilany.
malagasy
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.