Matthew 12:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako ny demonia, amin’ny alalan’iza kosa no mba androahan’ny zanakareo azy? Noho izany dia izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha i Belzeboba no androahako ny demony, iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa amin’izany, izy ireo ihany no hitsara anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha fahefana avy amin’i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin’iza kosa no androahan’ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako ny demonia, amin’ny alalan’iza kosa no mba androahan’ny zanakareo azy? Noho izany dia izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
malagasy
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.