Matthew 12:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
malagasy
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.[Gr.blasfemia,izahao 9. 3]