Matthew 12:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na iza na iza no milaza teny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.
Malagasy Bible 1865
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na iza na iza no milaza teny hanohitra ny Zanak’Olona* dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.
malagasy
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.