Matthew 12:41 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona tany Ninive dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy ireo tamin’ny toritenin’i Jona; nefa indro, misy lehibe noho i Jona eto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasy teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasy eto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive, ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto.
Malagasy Bible 1865
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona tany Ninive dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy ireo tamin’ny toritenin’i Jona; nefa indro, misy lehibe noho i Jona eto.
malagasy
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.