Matthew 12:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny faravazantany izy ka nankatỳ hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!
Malagasy Bible 1865
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto.
malagasy