Matthew 13:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahazo izay lazaina; dia izy no manome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny ary ny sasany telopolo heny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny voa nafafy tamin’ny tany lonaka dia izay mahaheno ny teny sy mahafantatra azy; ary dia miharihary fa mamoa sy mahavokatra: ao ny zato heny, ao ny enimpolo heny ary ao ny telopolo heny.
Malagasy Bible 1865
Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahazo izay lazaina; dia izy no manome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.
malagasy