Matthew 13:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin’ny taom-pijinjana; ary amin’izay vao holazaiko amin’ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.»
Malagasy Bible 1865
Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
malagasy