Matthew 13:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.
malagasy
Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.