Matthew 13:52 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany ary ny mpanoradalàna rehetra izay nampianarina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny tompon-trano iray izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy ao amin’ny firaketany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Jesoa taminy: –Koa amin’izany àry, ny mpahay lalàna rehetra izay nanjary mpianatra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny tompon-drakitra izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny tahirin-drakiny.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany ary ny mpanoradalàna* rehetra izay nampianarina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny tompon-trano iray izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy ao amin’ny firaketany.
malagasy
Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.