Matthew 13:54 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tany amin’ny taniny Izy dia nampianatra ny olona tao amin’ny sinagogany, ary talanjona ny olona ka nilaza hoe: Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena izany sy ireny fahagagana ireny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nankany amin’ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin’ny sinagoga; dia gaga ny olona ka nanao hoe: «Avy taiza àry no nahazoan’Izy io izany fahendrena sy hery izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nankany amin’ny tanàna nahabe Azy. Nampianatra ny olona tao amin’ny sinagôga i Jesoa, hany ka talanjona ry zareo sady loa-bolana hoe: –Avy taiza re no nahazoan’ilay io izany fahendrena izany sy nahavitany ireny asa mahagaga ireny?
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?