Matthew 13:57 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tafintohina Taminy izy ireo. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy homen-kaja, afa-tsy eo amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: «Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia voasakana tsy hino Azy ry zareo. Fa hoy i Jesoa taminy: – Mpaminany tsy hajaina eo amin’ny tanàna nahabe azy sy eo amin’ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!
Malagasy Bible 1865
Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tafintohina Taminy izy ireo. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy homen-kaja, afa-tsy eo amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
malagasy
Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.