Matthew 13:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.
malagasy
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.