Matthew 14:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony nandre izany Jesosy dia niondrana an-tsambokely niala teo, handeha hitokana any an-tany efitra; nefa raha nandre izany ny vahoaka dia niainga avy teny amin’ny tanànany avy ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nahare izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambokely mba hitokana any an-taniefitra. Vao nandre ny foto-dian’i Jesoa ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nizotra ny moron-drano nanaraka Azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony nandre izany Jesosy dia niondrana an-tsambokely niala teo, handeha hitokana any an-tany efitra; nefa raha nandre izany ny vahoaka dia niainga avy teny amin’ny tanànany avy ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
malagasy
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.[Na: nandeha tongotra]