Matthew 14:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao ary efa hariva ity ny andro; ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hariva ny andro, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: –Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.