Matthew 14:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo dia natolony ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra ho an’ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nasain’i Jesoa nipetraka teny amin’ny ahitra ny vahoaka. Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo dia natolony ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra ho an’ny vahoaka.
malagasy