Matthew 14:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nangataka Taminy ireo mba hahazo hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza; koa na iza na iza no nikasika izany dia sitrana avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny morontongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niangavian’ny olona Izy mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary izay rehetra nikasika dia sitrana avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nangataka Taminy ireo mba hahazo hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza; koa na iza na iza no nikasika izany dia sitrana avokoa.
malagasy
Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.