Matthew 15:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia loatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: «Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalin’ny demony mafy loatra ny zanakovavy»;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia* loatra.
malagasy
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.