Matthew 15:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka mandeha ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Israely izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hany ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza ny Andriamanitr’i Israely izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka mandeha ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Israely izy rehetra.
malagasy
ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.