Matthew 15:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy hilaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa natolotro an’Andriamanitra ny tokony ho nentiko manampy anao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo kosa manao hoe: «Na iza na iza hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao,
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy.
malagasy