Matthew 16:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’izay andro izay no nanombohan’i Jesosy naneho tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaly Azy mafy ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanoradalàna, dia hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.
Malagasy Bible 1865
Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’izay andro izay no nanombohan’i Jesosy naneho tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaly Azy mafy ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanoradalàna*, dia hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.
malagasy
Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.