Matthew 16:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin’i Petera hoe: –Mialà amiko, ry Satàna! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin’ny ratsy ianao, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona.
Malagasy Bible 1865
Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.
malagasy
Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.