Matthew 16:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ho avy ny Zanak’Olona amin’ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny asany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.
Malagasy Bible 1865
Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ho avy ny Zanak’Olona* amin’ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny asany.
malagasy
Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.