Matthew 17:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady i Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’olona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.
Malagasy Bible 1865
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady i Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona*.
malagasy
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.