Matthew 17:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka niteny hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo,» hoy i Jesoa taminy. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ ianao, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe: –Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?
Malagasy Bible 1865
Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka niteny hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny?
malagasy
Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?