Matthew 17:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana toy ny voantsinapy iray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ dia hifindra izy; ary tsy hisy zavatra tsy ho hainareo hatao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana toy ny voantsinapy iray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ dia hifindra izy; ary tsy hisy zavatra tsy ho hainareo hatao.
malagasy