Matthew 17:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao Kapernaomy izy ireo dia nankeo amin’i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekela na didrakma ka niteny hoe: Moa va ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekela na didrakma?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandoa Izy» hoy i Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: «Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etỳ an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga tao Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nanatona an’i Petera ireo mpandray ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly, ary nanontany azy hoe: –Moa tsy mandoa ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao Kapernaomy izy ireo dia nankeo amin’i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekela na didrakma ka niteny hoe: Moa va ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekela na didrakma?
malagasy
Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?[Gr. didrakma]