Matthew 17:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Petera: Mandoa Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano i Petera dia nialohavan’i Jesosy teny izy ka nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany haban-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va sa avy amin’ny olon-kafa?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny olon-kafa» hoy i Piera taminy: «Raha izany àry, hoy i Jesoa, dia afaka ny zanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Petera hoe: –Mandoa izany Izy! Vao niditra tao an-trano i Petera, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: –Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy hetra, ny ankohonany sa ny olon-kafa?
Malagasy Bible 1865
Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Petera: Mandoa Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano i Petera dia nialohavan’i Jesosy teny izy ka nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany haban-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va sa avy amin’ny olon-kafa?
malagasy
Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa?